Mpandresy aho

Seth

Mpandresy aho


Izaho ilay zatra
Mikombona ao anaty
Tapakevitra aho anio
Hiova fijery
Hiova fisainana
Hiova aho


Ho hitan’ny manodidina ahy
Fa mafy sy mandresy aho
Ny tsara no banjiniko
Ho tratrako ireo tanjona
Tsy ho resy aho
Fa mahay
Fa mahery
Yaaaahh


Tsy ampy fahasahiana
Feno tahotra
Izay ny sakana tsy nampandroso hatramin’izay
Mila mahatoky tena aho


Ka n’iza na n’iza
N’inona n’inona
Mitetitetika ny hanakivy na hanakana ahy
Raisiko ho hery hampandroso ahy


Haiko fa
Ho mpandresy aho
Fa mahay
Fa mahery
Yeaaahhhh


·