MPANDRESY

Vlm Ampitatafika

MPANDRESY


I-Mampijoro raha tojo ny sarotra Ianao
Heriko, aina vaovao
Manasitrana ny aretiko
Ray o! misaotra eram-po


Mihazona ahy ny tananao
Gina very maina teo


Refrain:
Na mandalo tafiotra aza ity lakana ity dia,
Mihazona ahy ny tananao
Ny onja mahery mila hanafotra izao,
Tony ireo manoa ny teninao
Mampandresy ahy, hatrany Ianao
Mpandresy aho Tompo o! fa manana Anao
Mpandresy aho Tompo o! fa tantananao


II- Ilay masoko jamba nahiratra teo
Moana aza aho, naloa-peo
Ny malemy indro natsanganao
Tsy misy ny tsy hainao hatao


Toky ho ahy ny ao Aminao
Jesosy o! misaotra Anao


Refrain:
Na mandalo tafiotra aza ity lakana ity dia,
Mihazona ahy ny tananao
Ny onja mahery mila hanafotra izao,
Tony ireo manoa ny teninao
Mampandresy ahy, hatrany Ianao
Mpandresy aho Tompo o! fa manana Anao
Mpandresy aho Tompo o! fa tantananao


·