Mpandresy
TANINKETSA FJKM Ambohibao Antehiroka
Mpandresy
Na dia maro aza ny fitsapana,
Mianjady amitsika ety
Dia mpandresy lalandava
Miaraka amin’I Kristy
Ref:
Fa maro ny lalana ivoahana
Handresy ilay fakam-panahy
Satria ilay finoana dia matanjaka
Finoana an’Andriamanitra
Na tsy mora aza ny fitsapana,
Mila miafy ihany koa
Miareta fahoriana
Matokia an’I Jesoa
Ref:
Fa maro ny lalana ivoahana
Handresy ilay fakam-panahy
Satria ilay finoana dia matanjaka
Finoana an’Andriamanitra
Ao ny andro mety ampahory,
Mafy sy magidy koa
Matokia,matokia
Fa mahita anao Jesoa
Ref:
Fa maro ny lalana ivoahana
Handresy ilay fakam-panahy
Satria ilay finoana dia matanjaka
Finoana an’Andriamanitra