Mpandresy

VLM 67Ha

Mpandresy


Hay ve ka tsy ho tafita!
Niato nangatsiaka ny omaly, ny apitso
Avy eo masoandro voarakotra


Hay marary mafy ny loha
Toa tsisy intsony fa voa
Toa niangarana, sa diso làlana
Maizina izao tontolo izao


Raha fantatro fa ianao tany mamitaka
Tsy nitia anao aho
Fa izao aho efa tafiditra
Koa avelao aho amizao


Raha nisy nantenaina
Nandreraka ny saina,
Nivezivezy ianao, tsy hitanao ny atao
Zaho mahita namana
Izy fiadanana,
Koa raiso Izy ho eo aminao
Fa ho hitanao fa hiova ny fiainanao


Aza mitodika mijery ny lasa
Miverena fa Jesosy efa nandresy an’izao tontolo izao
Mahereza, fa ny Tompo tsy mandao
Izy nilaza homba anao hatrany aho
Jesoa Tena namana


Aza mitodika mijery ny lasa
Miverena fa Jesosy efa nandresy an’izao tontolo izao
Mahereza, fa ny Tompo tsy mandao
Izy nilaza homba anao hatrany aho
Mpandresy ianao
Mpandresy ianao
Mpandresy ianao
Mpandresy ianao


·