Mpandresy
Tanora Masina Itaosy
Mpandresy
1- Ny herinao mandresy lahatra
Raha izaho aloha dia afa-po tanteraka
Ny andro izay niantsoako Anao
Dia nidiranao ny fiainako
Ref:
Mpandresy aho (mpandresy aho)
Manana Anao ry Jesosy o!
(Manana Anao jesosy o)
Mpandresy aho eo Aminao
(Mpandresy aho Jesôsy ô)
2- Na sarotra izany làlana
Matoky aho fa Ianao mitarika ahy
Fandresena azo antoka
Raha ny anaranao no itokiana
3- Lazaiko anao mpandresy koa ianao
Raha miara-dia, mibanjina ilay Tompo tia
Miantso Izy anio ka mba valio
Ny anarany ihany no itokio