MPANANATRA
STK FJKM Ambatomena Antananarivo
MPANANATRA
Ny foko ry Raiko misaotra Anao
Fa nomenao hery vaovao (indray)
Ny ota nataoko efa navelanao
Fitiavana no natolotrao.
Ny Fanahinao no nomenao anay
Mitarika anay
Mampianatra anay
Tantano hatrany ‘zay alehanay
(Mba) handresy hatrany izahay (izahay)
Ny fanantenako narefo hatrizay
Dia indro nitombo indray (satria)
Ny fanahinao mampahery anay
Mitarik’izany dianay.
Ny Fanahinao no nomenao anay
Mitarika anay
Mampianatra anay
Tantano hatrany ‘zay alehanay
(Mba) handresy hatrany izahay (izahay)
Vohaiko ny foko mba hidiranao
Monena ao hatramin’izao (Hianao)
Ny saiko maloto mba diovinao
Tsy izay sitrapoko no hatao.
Ny Fanahinao no nomenao anay
Mitarika anay
Mampianatra anay
Tantano hatrany ‘zay alehanay
(Mba) handresy hatrany izahay (izahay)