MPAMONJY TIA

Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna

MPAMONJY TIA


Jesosy Tompoko ilay mpanavotro
Be ny fahoriana izay niaretanao
Ny hazo fijaliana dia manambara
Ny fitiavanao ka misaotra Anao izao


Maniry aho Jesoa ny ho toa Anao
Ampianaro ahy ilay fitiavanao
Fitia tsisy fetra ho an’ny rehetra
Tsy manavaka sady tia ny namana


Fahasoavan-dehibe no natolotrao
Tsy ho very ny fanahy nohafahanao
Ka hiaraka handova ilay paradisa
Dia ho sambatra eo anilan’ilay Ray


Amen×8


·