MPAMONJY TERAKA

Feon'ny fiderana

MPAMONJY TERAKA


Fahiny tany Betlehema araka ny Baiboly
Nisy Mpamonjy teraka,teraka ao Betlehema
Famonjena lehibe ho an’ny olona
Izay mino Azy dia hanana fiainana mandrakizay
Jesoa zanak’i Maria teraka Krismasy


Ireo Magy indray nahatazana fa nisy kintana iray
Izay nitarina azy ireo ho ao an-tranon’omby
Volamena sy miora ary zava-manitra
Natolony an’ilay Mesia ilay Rainy mandrakizay
Jesoa zanak’i Maria teraka Krismasy


I Heroda Mpanjaka kosa raha nandre fa teraka ilay Mpanjakan’ny jiosy
Dia nihorohoro izy sy ny fanjakany rehetra


Narovan’Andriamanitra ilay zaza teraka
Ka afa-doza izy ireo ka resy ilay ratsy
Famonjena lehibe ho an’ny olona
Izay mino Azy dia hanana fiainana mandrakizay
Jesoa zanak’i Maria teraka Krismasy


Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao
Nomeny ny lahitokana mba tsy ho very izay mino Azy


Tompo ô! Misaotra Anao izahay ry Tompo ô
Midera Anao tokoa fa lehibe
Tsy manam-paharoa ilay fitiavanao


(Lehibe ny fitiavanao)Tompo ô!
(Ry Tompo ô) misaotra Anao izahay ry Tompo ô
(Misaotra Anao izahay)midera Anao tokoa fa lehibe
(Ny fitiavana)tsy manam-paharoa ilay fitiavanao


·