mpamindra fo
Chorale Taratr'i Maria
mpamindra fo
Jesoa Kristy Tompo Endriky ny Ray
Maneho ny Fitiavany sy ny Famindram-pony
Mamafy ny fitiavany amin’izay nolalovany
Manome Fahasoavana amy mpiara-belona Aminy
Onena Izy Andriamanitra Ray
Mahita fijaliana sy fahoriana amin’ny ari-tanany
Koa nirahiny ny zanany ho sorom-panavotana
Sy hitantana amy tena Fiainana
Aoka ianareo tahaka ny Rainareo
Mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara sy ratsy fanahy
Ny zanany tiany nafoiny ho an’izao tontolo izao
Hanamasina sy handavorary
Dia ny mitia tsy manavaka
Hahafoy izay anĂ nana.
Indro irahiko ianareo ho Apostolin’ny Famindram-po
Hangoraka ny hafa amin’ny fijaliany
Hahafoy izay anĂ nana hanohanana ny namana
Amy fahatrana ara-batana ara-tsaina, ara-panahy.