MOZIKA MASINA

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

MOZIKA MASINA


Njay henonao manakoako any an-danitra any
‘Lay mozika tsara indrindra vokatry ny fo
Njay henonao manakotsako any am-ponao any
‘Lay hirahira tsara indrindra, lafatra tokoa
Na ny tonony na ny feony samy manitra
Fa narafitra ho an’Andriamanitra


(Mozika Masina ô !) bis,
Mozika Masina ô ! ô ! ô ! ‘Lay tsara indrindra
(Mozika Masina ô !) bis
Mozika Masina ô ! ô ! ô ! ’Lay tsy azoko afindra


Te-hihira aho
Hankalaza amin’ny foko manontolo
Te-hampiara-peo amin’ny voary tontolo
Raha ny hira ho azy tsy ataoko vazivazy


Raha mbola hirahira ihany tsy mbola misy mamy
Mihoatra noho izany MOZIKA izany
Izany mozika izany
Mamy, Mamy, Mamy, Mamy, Mamy
MAMY tena MAMY


Mozika Masina ô ! …


Njay henonao manakoako any an-danitra any
‘Lay mozika tsara indrindra vokatry ny fo
Njay henonao manakotsako any am-ponao any
‘Lay hirahira tsara indrindra, lafatra tokoa
Na ny tonony na ny feony samy manitra
Fa narafitra ho an’Andriamanitra


A/C: RANOELISON Nirina (Ni)


·