MOA VE FANTATRAO
RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY
MOA VE FANTATRAO
Moa ve fantatrao ny eto an-tany izao dia miova
Feno rendrarendra ka mandreraka ny loha
‘Lay tsy miova anio mandrakizay
Ilay tsy miova omaly, anio mandrakizay, mandrakizay doria
REF:
Ary ianao ve?mankaiza? ô mankaiza? ianao
Moa ve ianao,manaraka izany
Raiso ary anio ’lay Jesoa tsy miova, tsy miova
Raiso ao am-po, mandrakizay doria
Miharihary izao ny eto an-tany izao, dia miova
Be ireo zava-tsoa miha-maro manintona ny loha
‘Lay tsy miova anio mandrakizay
Ilay tsy miova omaly, anio mandrakizay, mandrakizay doria
REF*2:
Ary ianao ve?mankaiza? ô mankaiza? ianao
Moa ve ianao,manaraka izany
Raiso ary anio ’lay Jesoa tsy miova, tsy miova
Raiso ao am-po, mandrakizay doria
A/C: A. HONORE
By Sandy RANDRIANAIVO