Moa tsapanao ve

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

Moa tsapanao ve


Moa tsapanao ve ry sakaiza รด
Fa tena sarotra tokoa
Ny fiainantsika eto an-tany
Mandrera-tsaina sy ny fo
Ka maro ireo mamoy fo sy toa mivarilavo koa
Izao anie no tadidio
Fa ny Tompo anie mahita anao


Matokia ny Tompo ianao
Omeo Azy koa ny fiainanao
(Mifalia) Mifalia
(Mitsikia) Mitsikia
Dia handositra ny adinao


Tsy vita amin-kerin-tsaina sy amin-kerim-batana
Ny momba antsika eto an-tany
Ka sao diso hevitra
Fa manantona an’i Jesosy ilay foto-pahasambarana
Sy afaka hamome anao ny fiainana mandrakizay


·