M'namela mamy

Mage 4

M’namela mamy


Niery ilay namanay
Namela mamy izy izay
Tsy nofy, tsy teny vazivazy ireny
Fahanginana no azo atao
Ilay Avo no nanao izao
Na marary aza ireo fery
Raisinay ho hery


Refrain:
Na maro aza ireo fakam-panahy
Ny aty iray tsy niova e
Ireo vitan’ilay rahalahy
Hajoro tsy ho rava e


Ireo hirany nampiseho
Tantaram-piainana feno
Ireo namana tia tokoa sy babo avokoa
Izao fisarahana izao
Ny fiadanana anie miandry anao
Izahay tsy ho irery
Aza avela ho very


Refrain…


Solo….


Refrain…


A/C: Elysé


·