Miverena

Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana

Miverena


1- Ho avy ny andron’ny fitsarana
Mivonona ianao sao tara
Ireo zava-bita no hanambara ny ho lovanao
Ndrao hitomany, hisento, hitoloko
No ho entinao mitsena ny Tompo
Miverena re e, raiso Jeso Zoky


Fiv.:
Ny ampitso hiseho tsy ho fantatra ety
Miangavy anao, miverena, modia
Raiso Izy, fa tiaNY ianao Malalany


2- Adin-tsaina lava izao
No mibahana ao an-dohanao
Hoe be ireo zava-bita natao sao ho laviny aho
Vidin-dràny ianao tsy ariany
Ny fiverenanao no iriny
Miverena re e, raiso Jeso Zoky


Fiv.:
Ny ampitso hiseho tsy ho fantatra ety
Miangavy anao, miverena, modia
Raiso Izy, fa tiaNY ianao Malalany


…


Ny ampitso hiseho tsy ho fantatra ety
Miangavy anao, miverena, modia
Raiso Izy, fa tiaNY ianao Malalany


T/F: Andriamanovosoa Yvon


·