Miverena
Akon'ny Paradisa Zandriny - FJKM Ankadindramamy Fahazavana
Miverena
Aza variana havako ô
Fa ny Tompo anie mpamonjy azo antoka
Aza manjeny andro lava
Fa ny Ray efa vonona handray anao
Mba mandiniha namako ô
Tena tiany anie ianao ho ao aminy
Mamin’ny fony sy tsy fony
Tsy tiany ho very fa ho isan’ny olony
REF:
Miverena havako ô
Tsy misy fitiavana hafa
Afaka hasolo ny Azy anie
Tiany ianao ho zanany maminy
Aza manjeny andro lava
Fa ny Tompo efa ho avy ö
Maneke mba ho Azy anio
Tiany ianao ho zanany maminy
Mba mandiniha namako ô
Tena tiany anie ianao ho ao aminy
Mamin’ny fony sy tsy fony
Tsy tiany ho very fa ho isan’ny olony
REF:…
ô ô ô Tiany ianao io ô
ô ô ô tena maminy e
ô ô ô , malalany
ô ô ô , Tiany ho zanany