Miverena
Lalatiana
Miverena
Ry tantely saraky ny ala, miverena.
Miverena, miverena aza misalasala,
Miverena
Ô ô ô, miverena
Miverena re ry hany malala.
ö ry lolo kely mirenty miverena
Miverena, malahelo re ty ala vaventy,
Miverena!
Ô ô ô, miverena
Malahelo ry ty ala vaventy.
O lakana tia riaria, miverena
Miverena, fa mahery re ty onja maria,
Miverena
Ô ô ô, miverena
Fa mahery re ty onja maria.
O ry zanaka lasa any ho any, miverena
Miverena, itodiho ihany lahy ity akany,
Miverena
Ô ô ô, miverena
Itodiho ihany lahy ity akany.
O ry tiana zay mbola variana
Mihenjy any ankoatry ny vala
Tonga ity ilay ora fodiana
Miverena ry hany malala
Miverena, miverena e
Miverena, miverena e
Miverena re ry hany malala.
O ry tiana zay mbola variana
Mihenjy any ankoatry ny vala
Tonga ity ilay ora fodiana
Miverena ry hany malala
Miverena, miverena e
Miverena, miverena e
Miverena re ry hany malala.