Miverena

Jon Mos

Miverena


MIVERENA (first version)


Efa andro maro lasa izay
No nandrandraiko ilay fitia
Namela ratram-po tsy haiko sedraina
Mahatonga ahy hitaraina
Fa ny anio, ny ampitso koa rahatrizay
Dia ny ho eo aminao ihany no faniriako
K’ ankehitriny aho manantena anao
Ny hiverenanao
Raha azo atao….
yeah eee


Fiverenana:
Tiako ianao ho ahy
Na ho sarotra aza ny hanadino anao
Aza avela aho
Hanalavitra amin’ilay toeranao


Dia aza fohazinao intsony ireo lasa
Fa efa nohadinoiko avy izy ireny
Ka tsy hiverenako intsony
Toa zary embona nanaraka ahy fôna ireny
Ilay endrikao hatrizay
Toy ny voninkazo iray
Fa raha tsapanao, fa mbola tiako hitoetra ao am-ponao
Ilay fitia izay nangeja hatrizay
Ka indro averiko indray hoe:


Tiako ianao ho ahy
Na ho sarotra aza ny hanadino anao
Aza avela aho
Hanalavitra amin’ilay toeranao


Bridge:
Toy izany aho rehefa tia
Ka aza hitseranao na kilalao
Nefa mbola manantena ihany aho
Fa ho avy ny andro iray
Ho iray indray izaho sy ianao


int:
Eny tiako ianao hatramin’izao
Ka iriako hiverin’indray
Ilay fitiavan’iray ka hiraiko hoe


Tiako ianao ho ahy
Na ho sarotra aza ny hanadino anao
Aza avela aho
Hanalavitra amin’ ilay toeranao
Nataoko ho fantatrao, eny hatramin’izao fa mbola tiako ianao
K’aza ilaozanao aho
Fa miverena…


yeah! aza avelanao (x2)
hanirery aho
yeah! ianao na handao ahy (x2)
tiako ianao eh eee!!


Album ‘‘Best of Jon Mos '
©2019


·