Mivalo Aminao
Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Mivalo Aminao
Mivalo Aminao, Andriamanitra ô
Fa be ny fahotana sy ny faniratsirana
Nataoko taminao, izay tsy sitrakao
Fa neniko ny ditrako
Ka dia tsy hanindroa intsony aho re
Raiso aho ry Tompo, f’hiverina Aminao
Mifona Aminao, Andriamanitra ô
Fa be ny hadalana sy ny fanimbazimbana
Nataoko taminao, izay tsy sitrakao
Fa neniko ny vitako
Ka dia tsy hanindroa intsony aho re
Raiso aho ry Tompo,f’hiverina Aminao