Mitsikia

None

Mitsikia


Mitsikia mandrakariva na inona manjoa anao
Ny alina e madiva ho avy ilay maraina vao
Raha sendra mafy feno avona ny lalanao
Tsenao amin’tsiky ny rafy, hivoaka mpandresy ianao


Fa tsiky no enti-mandresy ny henatra sy tahotra
Manova ny endrikao ho maha te ho tia mahafinaritra


Namboarin’ilay mpahary hahay mitsiky ianao
Eny na dia marary ny eso mahazo anao
Fa tsiky no enti mandresy ny hambompo sy ny avona
Ny tsiky avy ao ampo maneho ny tia fihavanana


Fa tsiky no enti-mandresy henatra sy tahotra
Manova ny endrikao ho maha te ho tia mahafinaritra


Oooo mitsikia, de mihira
Fa ny tsiky mitory halemempanahy.


·