Mitsangana ianao

Tanora Masina Itaosy

Mitsangana ianao


Ravo ny fanahiko sy faly ny foko
Anilanao ry Tompo Andriamanitro
Nefa tsapako hatrizay fa misy aminay
Mbola manjeninjeny eny rehetra eny
Angatahinay re! f’Ianao tompon’ny hery
Aza avela hijaly na hoe hangina irery


Fiverenana :
Mitsangana ianao faingana mba mitsangana re!
Mitsangana fa miandry ny Tompo Lehibe
F’izy hizara fifaliana ka hanala ny hakiviana
Ary hitondra soa sy fiadanana


Mba maniry izahay ry Zanaky ny Ray
Ho isan’ny mpandova ny ao an-danitra
Tano mba tsisy ho very na iray aza satria
Ianao Ilay tsy miova hiaro azy ireny
Ka ny fo fanahy ho lasanao avokoa
Ho anao Jesosy izay efa tia anay taloha


Fiverenana : Mitsangana ianao faingana mba mitsangana re! … (×2)


·