MITSANGANA

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

MITSANGANA


(Mba fantatrao) x 2 va re?
Fa tena tia anao tokoa
ilay Tompo Jesoa
(mba tadidinao) x 2 ihany koa ve?
Fa maty ho anao izy
ilay tena fitia


Nahoana moa ianao
no variana sy sondriana
fa maty ho anao izy
tamin’ny hazofijaliana


koa (mitsangana) x 2 fa aza matory
torio ny evanjely
iantrao ireo mahantra sy ory
tsy ho very valisoa ianao
amin’ny soa izay atao
ny Tompo tia anao
(tsy handao) x 2


Ampio I Kristy
hanitatra ny fanjakany eto an-tany
Fa tsy mba iala maina ianao
raha manao izany
ndeha (ahelezo) x 2
ny vaovao mahafaly
taomy mba hifankatia
ireo ory sy mijaly


nahoana….


koa (mitsangana)………


A/C: RANOELISON Nirina


·