MITSANGÀNA IANAO

Ampifafi

MITSANGÀNA IANAO


1°Mitsangana ianao ka mandehana izao
Aoka atao mandre izao tontolo izao
Raiso ka torio ilay teny soa
Ento ka ambarao Velona jeso


fiv:Jeso, nitsangana Izy
Mandehana, maniraka anao ry malala
Mitsangana, ambarao
Ny famonjena fa sao very
Ho avy Jeso, mibebaha isika izao
Mba minoa, matokia
F’ Izaho no homba anareo


2°Vonona aho Jeso ho miaramilanao
Asalory ahy izany ampinganao.
Ny filazantsara sy ny toetra soa
Feno ny Fanahinao manaiky an-tsitrapo


3°Sarotra anefa ny lalana hombana
Miaraka Aminao, izaho tsy hisalasala
Ka na mafy aza, Jeso no tokiko
Inty aho iraho, vonona (aho) ny andeha


·