MITSANGÀNA

Milanto

MITSANGÀNA


MITSANGÀNA


Mahatsiaro tsy mendrika intsony ianao
Mahatsapa resy, tsy mety ho tafarina
Feno hakiviana, sento sy tomany
Ny fiainanao maizina tsisy hazavana


Izao no hambarako aminao
Fa misy fanantenana ho anao
Tsarovy ilay Nahary anao
Izy anie efa miandry
Miandry anao…


Ref:
“Avia manantòna ry zanako! Mitsangàna!
Ny tànako dia hatolotro ho famonjena anao
Matokia ahy malalako! Tiako ianao
F’Izaho anie dia ho eo anilanao mandrakizay…
Mitsangàna…!”


Mety efa maro ireo ratsy vitanao
Na nilomano tanatin’ny fahotana


Izao no hambarako aminao
Fa mbola misy fanantenana ho anao
Tsarovy ’lay Nahary anao
Izy anie efa miandry..
Miandry anao.. ohh


ref…


·