Mitrakà

Tanora Masina Itaosy

Mitrakà


Mety hilaza angamba ianao androany hoe :
Aiza ilay masoandroko
Toa tsy mety avokoa izay ataonao
Tena kivy sy ketraka Ianao
Mila tsy ho zaka ny fahoriana
Ka te hamoy fo indraindray fa izao
Lazaiko anao
Jesoa mahalala ny momba anao


Fiv : Koa dia mitrakà ianao
Aza mitanondrika
Fa ny Tompo momba anao
Ilay masoandro hiposaka
Ndeha kopaho ny lambanao
Ka andao hiaraka Aminy
Hanara-dia Azy, hatoky Azy
Fa izay no andrasany


Maloka ny andronao omaly
Alahelo tomany
Mety hilaza ianao fa any ho any
Tsy mba misy fiainana ho anao
Koa lazaiko anao androany androany
Ilay Tompontsika efa nanomana
Ho anao sy ho ahy
Ilay paradisa soa mandrakizay


Fiv : Koa dia mitrakà ianao…


Hoy Jesosy aminao angataho izay tianao
Hihiratra ny masonao raha izay no sitrakao
Aza miandry intsony ianao, fa izao anio izao
Izy Tompo miandry anao, miantso ny anaranao


Fiv : Koa dia mitrakà ianao…


A/C : Miora


·