Mitrakà
Amboaram-peo Hoby Vontovorona
Mitrakà
Key Eb
1-
Toa trotraky ny ady ry mpiantsambo ô!
Ahevahevan’ny onja tsy misy fiafaràny.
Ny ezakao indrisy tsy mahatohitra
‘Ty tafiodrivotra sy ny onjan-dranobe
Toa trotraky ny ady ry mpiantsambo ô!
Ahevahevan’ny onja tsy misy fiafaràny.
Ny ezakao indrisy tsy misy vokany,
ka ory indrindra ianao faty sisa andrasana.
Refrain:
Mitrakà r’ilay reraky ny dia
Jesoa Tomponao tia dia tena tia,
Te-hamonjy sy hiahy anao
Ô ekeo ka raiso izao.
Ô ampandrosoy Jesoa Tomponao
Ary ny fivoy aoka ho Azy izao.
Izy no ho kapiteninao
Ho voavonjy ianao.
2-
Nahoana no misalasala izato ianao?
Ny tanany mitsotra toa te hitrotro anao
Ny henatrao foana ny ambompo ialao,
Na dia fandavana aza no natao hatrizay.
Refrain:
Ô avia r’ilay miasa fatratra
Jesoa hanome fitsaharana
Te-hamonjy sy hiahy anao
Ô ekeo ka raiso izao.
Ô ampandrosoy Jesoa Tomponao
Ary ny fivoy aoka ho Azy izao.
Izy no ho kapiteninao
Ho voavonjy ianao.
A/C Tovonanahary Augustin