Mitoto vary diavolana
Andrianary Ratianarivo
Mitoto vary diavolana
Ny mangorak’olon-tsy tiana
Mitoto vary diavolana
Mihantsy fampahoriana
Mandrava tady efa miolana
Ny manin’olo-tsy sitraka
Sikidy mila voatsiary
Ary sarintsarim-pamitaka
Salama toa te-harary
Ny misento izay tsy lalaina
Mandraoka rano efa raraka
Mandena lamba efa maina
Manao ankaso ny mpiaraka
Ny fitia: hanin-tsahaza
Raha anombinana; mankanavy
Fanomezana an-tanan-jaza
Tsy omena zaza miangavy
Feony: Andrianary Ratianarivo
Tonony: Rodlish (Rakotoarivony Arthur)