Mitebiteby fatratra

AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana

Mitebiteby fatratra



  1. Mitebiteby fatratra, ireo ray sy reninay.
    Manahy ny ankohonany
    Ka reradrera-tsaina lava izao.
    Manao izay fara-heriny, mba hampiadana kokoa.
    Ireo zanaka malala ‘zay tsy mety afa-po.


Ref: Ianao ry Kristy velona.
Ianao no tsy mba mety sasatra.
Ka jereo sy toneo
Ireo izay mitebiteby fatratra.
Miatrik’ady tsy amam-pidiny.
Mba hanamaivana ny ngidiny.
Dia mba ombay ny elatrao.




  1. Mitebiteby fatratra, ireo mpivady vao.
    Manahy ny amin’ny ho aviny.
    Hamakivaky lalam-baovao.
    Hisedra hetraketraka, ao koa ireo fakam-panahy.
    Tsy maintsy ifanandrinana ka velona ahiahy.




  2. Mitebiteby fatratra, ireo mpianatra indray.
    Mialoha ny fanadinany.
    Ka tsy milamin-tsaina, mba ombay.
    Mitebiteby fatratra ireo mpitondra anay.
    Mamory ny vahoakany, mba ho eo am-bala iray.




·