Mitandrema

Antoko Mpihira MORIA

Mitandrema


1- Mitandrema ry olombelona
Fandrao ny fo ho tia hadalana
Ny lolom-po, ny fankahalana
Ary ny filan’ny fiainana


Fiv: Fa ho avy ny andro tsy ampoizina
Tsy fantatrao akory na anio izao
Koa miambena, mivavaha ianao
Mba handosiran’ireo fahotana
Koa mijoroa mitsangana ianao
Ho fahazavana fanasina
Ny Tompo anie efa nampanantena anao
Moa ve ka adinonao
Fa ahazo lapa ianao


2- Mahereza amin’ny vavaka
Satana anie ka tsy manan-tsaina
Afa tsy ny handefa an-davaka
Ka mila fanoherana


·