MITALAHO
Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)
MITALAHO
- Ry Tompo o! Ity ny zanakao miandrandra Anao
Miangavy noho ny amin’ny Fiangonanao
Tolory saina hendry ary koa mahay mitia
(Hampandroso hatrany)
Tsy ho kivy fa hikely aok’izany
Réf:
Mitalaho! Fenoy fiainam-bavaka izahay
Ka ny teninao no aoka ho finoanay
Tompo o! An-dranomaso no hiangaviako Anao
Mba vonjenao (Jesosy) ny Fiangonanao
- Ry Tompo o ! Tahio ny Mpitandrina anay
Ombay ny herinao fandrao ho kivy miaina
Ny olonao mba hampiraiso ka hifankatia
(Ny Fiangonanay)
Ho havaozinao toetra tsara sy madio