Misy ve ny tsy misy ?

Antokom-pihira Vetson'i Siona

Misy ve ny tsy misy ?


Misy ve ny tsy misy ???




  1. Raha tsy misy ve ny alahelo
    Mandrotika sy mamelovelo
    Tsy hivavaka aho Jesoa




  2. Raha tsy misy ny adin-tsaina
    Mandreraka ny fo sy ny saina
    Tsy hivavaka aho Jesoa




Ref: Marina sy lehibe ny fitiavanao
Ka notahianao hatrany ity zanakao Jesoa




  1. Raha tsy misy ve ny hakiviana
    Milanja ny hazofijaliana
    Tsy hivavaka aho Jesoa




  2. Raha tsy misy ve ny maha ory
    Mampijaly, tsy ahitan-tory
    Tsy hivavaka aho Jesoa




Ref: …




  1. Raha tsy misy ny manahirana
    Tsy azo hialàna na idifirana
    Tsy hivavaka aho Jesoa




  2. Raha tsy misy ve ny ankaso
    ‘Zay mampilatsa-dranomaso
    Tsy hivavaka aho Jesoa




Ref: …




  1. Raha tsy misy ve fijaliana
    Ranomaso, fitomaniana
    Tsy hivavaka aho Jesoa




  2. Raha tsy misy ve ny tsy misy
    Mampalahelo, eny indrisy
    Tsy hivavaka aho Jesoa




Ending: Marina sy lehibe ny fitiavanao
Ka ny fahasoavanao Jesoa no nahatoy izao ahy


·