Misy tsiahy

KTLM Firaisankina Antsirabe

Misy tsiahy


Misy tsiahy zay nandratra ny fo,
Nitondra toloko nifafy tokoa,
Nampahory ny aiko, vakavaka tokoa,
Nankarary ny saiko,
Mila hamoy fo.


Izay safidiko tsy azo antenaina,
Sitrakao no andrasanay !


Izay safidiko tsy azo antenaina,
Sitrakao no andrasanay !


Nisy ny omaly ny tsiky ihany koa,
Feno hasambarana ravo tokoa,
Ny Fanahy toa nijaly,
Natory tsy nifoha,
Fa ianao tsa nanary,
Fa nanolotra soa,


Izay safidiko tsy azo antenaina,
Sitrakao no andrasanay !


Izay safidiko tsy azo antenaina,
Sitrakao no andrasanay !


Ilay andro iray, lalovanay,
Tsy hanana ahiahy,
Vahaolana ihany koa,
Tsy hitarainako !


Izay safidiko tsy azo antenaina,
Sitrakao no andrasanay !


Izay safidiko tsy azo antenaina,
Sitrakao no andrasanay !


Ouh, Ouh, Ouh, Ouh, Ouh !
Ouh, Ouh, Ouh, Ouh, Ouh !


A/C : ZIZY RAHA


·