Misy miantso
Antoko Mpihira MORIA
Misy miantso
Misy miantso moramora
Ka mandondona (zovy re)
Misalasala ve ianao
Sao dia fahavalo (te handroba)
Ilay Jesosy be fitia re
Mba vohay (Tompo Andriamanitra ô)
Mahatoky Anao ity mpanompo
Indro vohaiko
Ref :
Ô mandrosoa ry Jeso mpanadio
Ô mandrosoa f’izaho dia efa mino
Manaiky Anao ity foko ka hidiro
Manaiky Anao manomboka anio
Miresadresaka Aminao aho
Ry olon’ory (henoiko)
Sy ekeko ao am-po izay lazainao
Ho enti-matory (fa sitrako)
Hitoetra irery ao am-ponao
Raha toa ka mety (Misaotra Anao Jeso)
Izany hafaliako noho Ianao
Dia tsy ho lefy
Ref…
Ny sentosento teo aloha
Hilaozako eto (eto anio)
Fo ravoravo lalandava
No asetry izany (fa Jesosy)
Ilay Jesosy no ato am-poko
Hanolokolo (hitondra ahy hankao)
Hankao an-dapa paradisa
Ary ankoatra
Ref…