Misy fetra

AmbondronA

Misy fetra


Hatramin izay
Toa nangina foana aho
Nandefitra
Tsy mba namaly anao


Matetika aho no
Milaza fa tiako ianao
Nefa indraindray
Toa araraotinao


Ho ahy sy ho anao
No nandeferako hatramin izay
Fa tsy hoe sanatria
Tsy sahy aho


Ny eso teninao
Hatsaharo amin izay
Rehefa tsy miteny ve
Dia ataonao ireny


Efa dify angaba
Ny fetran izany
Matoa aho miteny
Tsy zakako ireny


ho ahy …


Nyeso …


Ny menomenonao
Lanjalanjao
Rehefa tsy tianao
Dia avelao aho


Efa dify …


ho ahy sy…


Ny eso…


·