MISY ANTENAIKO INTSONY VE ?

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

MISY ANTENAIKO INTSONY VE ?


Misy antenaiko intsony ve ety?
Misy hametrahako ny fo?
Ry mpamonjiko midina ka avia
He jereo ty mety lo


Handrandraiko anio ny loha
Hanantenana Anao Tsitoha
Fifalia-mihelina no hitako ety
Ry mpamonjiko avia


Fa ny faniriako dia fantatrao
Tsy miafina Aminao ny dia
Zay fanantenako dia hitanao
Ry mpamonjiko avia


Handrandraiko anio ny loha
Hanantenana Anao Tsitoha
Fifalia-mihelina no hitako ety
Ry mpamonjiko avia


Mampahory re izao tontolo izao
Inoko ny ho velona ety
Raha hadisoako izany, avela
Ry mpamonjiko avia


Handrandraiko anio ny loha
Hanantenana Anao Tsitoha
Fifalia-mihelina no hitako ety
Ry mpamonjiko avia


·