MISOPIRAPIRANA

Ny any aminay

MISOPIRAPIRANA


1-Izay mamindra misopirapirana e !
Tafintohina ho’aho ka sahirana o !
Izay mamindra misopirapirana e !
Tafintohina ho’aho ka sahirana o !


Mamitaka ity tany ity
Tsy azo anaovana tongo-dohovy
Aza sendra ny aza manody
Fahoriana no entina mody


Izay mamindra misopirapirana e !
Tafintohina ho’aho ka sahirana o !
Izay mamindra misopirapirana e !
Tafintohina ho’aho ka sahirana o !


2- Ny ditra atsaharo amin’izay e !
Indrindra raha te ho havanay o !
Ny ditra atsaharo amin’izay e !
Indrindra raha te ho havanay o !


Miriorio foana ny angidina
Fa aiza izy no mitsingidina
Aza manao be marenina ho’aho
Fa sao dia mandatsa ny nenina


Ny ditra atsaharo amin’izay e !
Indrindra raha te ho havanay o !
Ny ditra atsaharo amin’izay e !
Indrindra raha te ho havanay o !


3-Fandalovana ihany ny ety e !
Nahoana raha mifankatia o !
Fandalovana ihany ny ety e !
Nahoana raha mifankatia o !


Avonavona sy lonilony
Aoka ireny tsy hatao intsony
Fialonana sy lolom-po
Ajanony fa tsy mahasoa


Fandalovana ihany ny ety e !
Nahoana raha mifankatia o !
Fandalovana ihany ny ety e !
Nahoana raha mifankatia o !
X2


Tonony sy Feony: NAIVOARIVELO Rakotondratsimba


·