Misaotsy anao lahy e

Chorale Taratr'i Maria

Misaotsy anao lahy e


Misaotsy Anao Lahy e, hanao Tomponay
Be fitiavana Ianao, nisian’izao rehetra izao
Faly ahay Ragnandria,
F’Ianao no nahary e, izao tontolo e e, la misaotsy e

Misaotsy ahay Baba
La gn’soa nataonao, anay e e, la misaotsy e

Raiso Tompo ee ny voninahitra atolotra Anao
Asoronay Ragnandria, ho mariky ny fisaorana Anao


1-Ianao no namorona izao rehetr’ izao: la misaotsy e e ia
Ny sitraponao no nampisy izao rehetra izao: la misaotsy e
Nomenao fo sy saina fanahy iavahana[y] amin’ny maro: la misaotsy e e ia
Misaotsy Anao lahy Ragnandria
Bevata gn’fahasoavanao: la misaotsy e


Tompo ô lehibe marina e ny fitiavanao e
Nafoinao ho anay izao rehetra izao e e
Mendrik’hisaorana Ianao Zagnahary e e


2-Ianao nahary ny tany sy ny lanitra e e

Mendrik’hisaorana Ianao Zagnahary e e

Ny kintana mameno ny habakabak’igny e e

Mendrik’hisaorana Ianao Zagnahary e e

Ny masoandro manazava izao tontolo izao e

Mendrik’hisaorana Ianao Zagnahary e e
Ny rivotra iainanay zava-boaharinao e

Mendrik’hisaorana Ianao Zagnahary e e


Tompo ô lehibe marina e ny fitiavanao e
Nafoinao ho anay izao rehetra izao e e
Mendrik’hisaorana Ianao Zagnahary e e


3-Ny ranomasina sy ny zava-manan’aina ao anatiny e

Mendrik’hisaorana Ianao Zagnahary e e
Ny tendrombohitra sy ny zava-manan’aina ao anatiny e

Mendrik’hisaorana Ianao Zagnahary e e
Ny zavamaniry sy ny zava-manan’aina ao anatiny e

Mendrik’hisaorana Ianao Zagnahary e e
Tretrik’ahay managna anao e e

Mendrik’hisaorana Ianao Zagnahary e e


·