Misaotra sy Midera

TANINKETSA FJKM Ambohibao Antehiroka

Misaotra sy Midera


Faly izahay misaotra sy midera Anao,
Nahatraranay izao andro anio izao
Andro izay natokana
mba hanompoana Anao
Hiderana Anao Andriamanitra


Ref:
Dia fihobiana no atolotray Ray o!
Firaisankina no iainanay (iainanay)
Hanakoako ny lazanao
Manerana izao tontolo izao


Hira Fiderana hatrany no atolotray
Hitarihanay ny ankizy namanay
Fa Jesoa ilay zanakin’ny Ray dia be fitia
Izay mitaona antsika mba hifankatia


Ref:
Dia fihobiana no atolotray Ray o!
Firaisankina no iainanay (iainanay)
Hanakoako ny lazanao
Manerana izao tontolo izao


·