MISAOTRA ANAO RY TOMPO
APF TANGAINA
MISAOTRA ANAO RY TOMPO
Isaorana Ianao ry be indrafo
Nanome ny hery ho anay sy fanahy koa
Izay vitanay hatramin’izao dia avy Aminao
satria nanasoa, hampandroso koa, ny fiangonanao
Dia mbola ny fitahianao
No nahazoanay nanao ny asanao
Eo ambanin’ny fitarihanao sy ny lalanao
Fa izay manao ny asanao
Arahan’izany ankoatra ary
ary ankasitrahanao ry Jesoa hitoetra Anilanao
Izay fantatrao fa hahasoanay
Tanteraho fa tsara avokoa, ekenay ho soa
Ny fitoriana iantsoana anay tsy mba lavinay
Dia ny nanasoa, hampandroso koa ny fiangonanao
A/C Fostant Andriamariajoel
Nampiditra : Niaina