Misaotra anao ry Ray

Silo

Misaotra anao ry Ray


misaotra anao izahay
fa nomenao saina afaka hanaiky
fa ny eto an-tany dia akaiky


misaotra anao tokoa
satria ianao
mihaino anay izay madi-doha
zazakely be lalao


misaotra indrindra Ray
fa tsapanay
ny lalana nalehanao
hamonjy ireo zanakao


misaotra ihany koa
nomenao fo
idobodoboka any anaty
velona mandrapaha-faty


izay atao ety
tsy tody lavitra mankaiza
raha tsy ianao no mitarika ny dia
na ho aiza na ho aiza


soa fa ny fitia
ifanomezanay ety
ferana tsy ho lasa zavatra hafa
hifanimba hoan’ny an-kafa


misaotra anao satria
ianao fitia
mahay mandamina izay miady
na mpinamana na mpivady


misaotra foana foana foana
amin’ny ilay fotoana
natolotrao mba ho anay
ho lovanay mandrakizay


harena be rahatrizay …
ho lovanay mandrakizay …


Nadika avy tamin’ny rohi : https://www.youtube.com/watch?v=1FjLByg1VWI
Fragg_rzfrsn


·