MISAOTRA ANAO
Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha
MISAOTRA ANAO
MISAOTRA ANAO
Midera Anao, Misaotra Aanao ‘zahay ry Tompo
Mankalaza Anao ‘zahay zandrinao
Fa lehibe ny herinao sy ny fitiavanao
Azo antoka ny hoavinay
Tsy mamela anay ho irery ianao
Manolo-tsaina sy manampy koa
Eo amin’ ny fianarana ataonay
Sambatra izahay manana Anao
Sakaizan’ny zaza
Jesosy anie no ambara eto ry sakaiza
Raiso Izy anio dia ho tsapanao
Fa sambatra tokoa izay miakina Aminy
Manamaivana ny entanao
Mamafa koa ny alahelonao
Miaino sy mamaly vavaka
Koa aza misalasala ianao
Sambatra tokoa izay matoky Azy
Sakaizan’ny zaza
A/C : Elise RASOAVOLOLONA