Misaora Azy

None

Misaora Azy


Misaora an’Andriamanitra, amin’izay rehetra ataony aminao
Ny ety an-tany dia tsisy maharitra, fa miovaova izao fiainana izao
Na amin’ny tsara io na ratsy, dia misaora Azy
Adidiny ianao, izay no tadidio
Koa mifikira Aminy ianao anio


Kivy ve ianao rehefa sendra misy manjo?
Misento sy mitaraina lava ka te hamoy fo
Rera-tsaina sy ketraka, tsy hitanao izay atao,
Ka maniry ny hanam-piainana vaovao


Ny sento, ny fitsapàna dia tsy maintsy hisy hatrany
Hitsapàna ny halalin’ny finoanao no anton’izany
F’Izy mahalala ny hevitra iheverany anao
Koa matokia Azy fa tsy ho very akory ianao


        Misaora an’Andriamanitra, amin’izay rehetra ataony aminao

Ny ety an-tany dia tsisy maharitra, fa miovaova izao fiainana izao
Na amin’ny tsara io na ratsy, dia misaora Azy
Adidiny ianao, izay no tadidio
Koa mifikira Aminy ianao anio

Indraindray ihany koa isika dia mihevitra ho mahavita-tena
Mirehareha amin’ny herintsika na amin’ny vola aman-karena
Mitalaho rehefa ady sarotra , nefa adino Izy rehefa tafita e!
Matetika dia toy izany ny fiainantsika


Tsarovy ny asa mahagaga rehetra izay nataony
Azy irery ny voninahitra ary Izy no isaory
Fitiavana, famindram-po no natolony anao
Ny fahasoavany irery no naha toy izao anao


        Misaora an’Andriamanitra, amin’izay rehetra ataony aminao

Ny ety an-tany dia tsisy maharitra, fa miovaova izao fiainana izao
Na amin’ny tsara io na ratsy, dia misaora Azy
Adidiny ianao, izay no tadidio
Koa mifikira Aminy ianao anio

Na amin’ny mora (Misaora Azy)
Na amin’ny sarotra (Misaora Azy)
Fa izany no (sitrapon’Andriamanitra)
Ao amin’i (Kristy)


·