Mirosoa amin'ny lalina

Hanitr'ilay Fo Tia

Mirosoa amin’ny lalina




  1. Nantsoinao ka niainga ilay rain’ny mpino
    Natoky Anao na mafy aza ny sedranao
    Dia nosoavinao izy ry Tompo o
    ka tojo izay nampanantenainao


    Toa an’i Saoly, mba mafana fo ‘zahay
    fa tsy lavorary izay mba zava-kendrenay
    saingy avo lavitra ny hevitrao tompo o
    “fitiavana” manova fo tokoa




FIV : Ilay finoana iandrandrana famonjena
Sy handresena izao tontolo izao
Ampitomboy ao am-ponay ry Tompo o
HIROSOANAY AMIN’NY LALINA




  1. Sambatra indrindra ilay renimasinao
    nanetry tena, nanaiky izay sitraponao
    ka fakan-tahaka ho anay ny lalany
    niaina ilay finoana lalina


    Mirosoa amin’ny lalina hoy ianao
    ry Jesoa tompo o, filohan’ny Fiangonana
    ny herin’ny Fanahy Masina tokoa
    no antoka hirotsahanay izao




FIV : Ilay finoana iandrandrana famonjena
Sy handresena izao tontolo izao
Ampitomboy ao am-ponay ry Tompo o
HIROSOANAY AMIN’NY LALINA


·