Mipololotra

Mahaleo (Raoul)

Mipololotra


Mipololotra toa tsy tanako
Toy ny setroka sigara
ny alaheloko ilay akamako
mikopakopaka mosara


Mitrahotraho ny oran-ko avy
manembonembona aho izany
ny saiko no manavinavy
vonto sento sy tomany


Lasa ianao, lasa ianao
tsy nanao veloma akory
Nya aloka navelanao
ila tsy ahitako tory


lasa ianao fa tsy tamana
nahita lasy vaovao
mandehana, mandehana
f’izaho tsy hanakana anao
mahazoa izay ilaina
mahazoa izay tandrify
aza sendra taintaina
aza sendra arentinify


Veloma ianao, veloma ianao
f’izaho tsy hanadino akory
vonona aho ho namanao
raha misy zava-mampahory


Mipololotra ka tsy tanako
Toy ny setroka sigara
ny alaheloko ilay namako
mikopakopaka mosara


·