Miovà

Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha

Miovà


Miovà


Moa mba renao ny antsony aminao ?
‘Njao manambitamby mitalaho
Manatsotra izany tanany hamihina
Anao malalany


Na nandao ny valany, nania
Miantso anao Jesosy ka modia
Tsy hanisa heloka fa hanadio anao
Mba ho tonga olom-baovao


Mbola miandry anao ny Tomponao
Hanadino ny ota vitanao
Tsy mba sitrany ny hahavery ny fanahinao
Miovà, fa mbola tiana ianao


Araraoty dieny anio izao
Ilay famindram-po omeny anao
Sao ity no andro fara ahavelomanao
Na ho antso farany atao


Ref : Ka moa ve mbola hanamafy fo ?
‘Ndeha handao ny ratsy fanao taloha
Miantefa aminao ny Antson’ny Tompo
Aza mandà !
Ndeha hibebaka Aminy,
Ndeha re Miovà !


Mibebaha sao ho neninao
Raiso Izy ho fiainanao
Miovà fa Jesosy anie
Vonona handray anao


A/C : Finaritra Ny Aina


·