MIORENA,MIFAHARA

Antokom-pihira Hanitry ny Lanitra(AHL)

MIORENA,MIFAHARA


MIORENA MIFAHARA


I-ambara aminao androany
fa tsara ny Tompo tsy miova
Tsy miova izy omaly
anio ary mandrakizay
isika no efa nantsoiny
nantsoiny ho vavolombelona
tanora vonona hilaza
ny hatsaran’ny Ray
ny mangataka andro tsy mety
ny lalana ety dia ety


fiverenana:


n’aiza n’aiza no aleha
n’inona n’inona atao
meteza ho fitaratra
isan’andro izao
tanora namako o
miorena tsara
aza miova mifahara
ndao hiazakazaka hanohy
ho an’ny filazantsara
hitsinjovana ny any am para


II-
tantarainay foana na rahoviana
Tompo mpanjakan’ny fitahiana
izy manokatra lalana
irotsahan’ny valimbavaka
totofany hery sy tanjaka
ampahomby ny valimbavaka
fa lanitra tsara no lova
ho anao sy ho ahy
zay tsy miova
fa lanitra tsara no lova
ho anao sy ho ahy
zay tsy miova


·