MIORENA TSARA

Groupe NAINA

MIORENA TSARA


Efa akaiky ilay andro
Hiavin’ny Tompo izao
Efa ho avy ny fotoana
Hitsaharana amin’izay
Amin’izay fotoana izay
No hamaliana ny asanao
Hijinjana izay natao
Teto an-tany hatrizay


Efa akaiky ilay andro
Handaozanao izao nofo izao
Efa ho avy ny fotoana
Hodina vovoka indray
Amin’izay fotoana izay
Tsy hisy intsony ny azo atao
Eo no hiandrasanao
Ilay fitsarana iray


Ka mba faniriako raha toa ka mety ianao
Miambena tsara tano ny finoanao
Tena fifaliako raha toa ka sitrakao
Dia isika izao hifampitantana ho ao


Miorena tsara aza miova
Oh, miasa mijoroa
Fa efa ho avy ny Tompo handray ny azy
Ka dia mihomana izao


·