MIORENA

IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka

MIORENA


MIORENA (KATEKOMENA ANDIANY MIORENA 2022)


1-Reko ry Tompo ny antsonao
Miantso mora ao am-poko ao
Na tsy mendrika aza teo imasonao
Nofidianao mba ho irakao


Réfrain:
Ekeko, ekeko ilay hafatrao ry Ray
Miorena tsara amin’ny finoana ianareo
Eny Tompo, manaiky ho Anao mandrakizay
Ho Anao na inona miseho


2-Tsy zavatra mora anefa izao
Ny hoe manara-dia Anao
Ampioreno mafy ny finoako Anao
Hanatrarako izay sitrakAo


3-Eto anatrehaNao ry Tompo
No anekeko ny antsoNao
Hanononako ny avy ato am-po
Fa izao dia izao iraho aho


(IRAFIA FJKM AMBOHIBAO ANTEHIROKA)


·