Miomàna
Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa
Miomàna
Ianareo no fanasin’tany , Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao
Koa aoka ho lavorary ianareo ho toy ny Rainareo izay any an-danitra any ( Indroa )
Fa tsy fantatrao anie ny andron’ny Tompo , ( Ny andron’ny Tompo )
Fotoana hanamarinany , fotoana hanamelohany
Koa Miomàna dieny izao , mivonona ianao mba tsy hanenina amin’ny andro fitsaràny

Mizora amin’ny lalan’ny mazava , mijoroa ho vavolombelon’ny Tompo ianao
Maneke ho mpanompo mahatoky dia manaova asa soa amim-pahamarinana
Iantrao ireo ory , iantrao ireo mahantra , mijoroa ho vavolombelon’ny Tompo ianao
Mamafaza fitiavana fa lehibe ny valisoa anao amin’ny Ray