Minouche

Tonton Pa

Minouche


Nandeha isika, nentin’ny ditra
Jamba tokoa no tafara-dia
Tsy nahita lalana fa samy tia
Nisaina ho velon’ny rano sy fitia


Minouche aaaaaa!


Fa tany Antsiranana
No niandoha ilay Fitiavana
Hatrany Ihosy io rahavana
Nahavatra ningitrim-pianarana
Ilay faritra mena aza nitsahina


Minouche aaaa, minouche aaaa, hono hoy aho?
Moa ve nisy hakony any am-ponao?
Minouche aaaa, minouche aiza ianao?
Ny ahy mbola tadidiko, fa asa ny anao


Vao sendra takotakona
dia mahita sampona
Mandady aza amin’ny alina
Ka loza fa tara ilay zavatra
Ny handositra no vahaolana mba takatra


Minouche aaaaa!


Niharitra hanoanana
Nisedra havizanana
Namisavisa izay tokony ho atao
Naniry ny mbola hianatra ianao
Nefa ilay menaky ny aina efa tao


Minouche aaaa, minouche aaaa, hono hoy aho?
Moa ve nisy hakony any am-ponao?
Minouche aaaa, minouche aiza ianao?
Ny ahy mbola tadidiko, fa asa ny anao


Dia namidy ilay gitara
Fa hoe tsy maintsy halàna
Teo vao vaky ny lohako
Ianao ilay tsy ampy taona, natahorako
Maty aho re razako
Ny aza hitako


Dia izay no vita
Hatreo ny amintsika
Nataon-dreninao izay handehanako
Ka t’Andranohira aho no nitodidoha
Niditra ho ekipan-drÿ Rabenamboa


Vita moa ny asa
Dia samy lasa
Hafatra sisa reko nandeha
Sendra mpiara miasa aho, tany Antampon’Ihorombe
Veloma hoy ny antsoiny dia, bisou be dia be


Minouche aaaa, minouche aaaa, hono hoy aho?
Moa ve nisy hakony any am-ponao?
Minouche aaaa, minouche aiza ianao
Ny ahy mbola tadidiko, fa asa ny anao.


Fb: m.facebook.com/michael.rasolofomalala (mika)


·