Mino aho

Rija Ramanantoanina

Mino aho


Mino aho fa onena ny mijaly
Ny Raintsika ao an-danitra ao
Ka indro ny vavako mivaly
Nampiany aho ka nahita anao


Ny fahadalako tsy isainy ho fahotako
Mino aho, mino aho, mino aho
Ny fahadalako tsy isainy ho fahotako
Mino aho, mino aho, mino aho


Mino aho f’Andriamanitra tsitoha
Mpamoron’izao rehetra izao
No mbola hanao izay hampifoha
Ho ahy ny fitiavanao


Mino aho f’Andriamanitra mahery
Mpamoron’izao rehetra izao
Hitantana anao ho ahy samirery
Hitandrina ahy ho anao


Ka izay sitrapony no ekeko fa ambony
Mino aho, mino aho, mino aho
Ka izay sitrapony no ekeko fa ambony
Mino aho, mino aho, mino aho


·